Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 11:3 - DIEM PROTESTANTA

3 ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO. Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy na hanapaka araka izay ren’ny sofiny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ho hanitra ankasitrahana Aminy ny fahatahorana NY TOMPO ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampanaiky araka ny ren’ny sofiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO. Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy na hanapaka araka izay ren’ny sofiny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ny fahatahorana an’i Iaveh no fototry ny fahafinaretany. Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony izy, na hanapaka araka izay ren’ny sofiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah, Ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, Na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ho hanitra ankasitrahana Aminy ny fahatahorana NY TOMPO ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampanaiky araka ny ren’ny sofiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 11:3
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy koa aho anakampoko hoe: «Hampitony anie ny tenin’ny andriamanjaka. Fa tahaka ny anjelin’Andriamanitra izy ka mahalala ny tsara sy ny ratsy.» Hiaraka aminao anie ny TOMPO Andriamanitrao.


Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: –Modia fa hanome baiko hitsinjovana anao aho.


Ren’ny Israelita rehetra izany fitsarana nataon’ny mpanjaka izany; ka dia nanaja azy ny olona, satria nahatsapa fa misy fahendren’Andriamanitra ao aminy hoentiny mitsara.


Koa omeo ahy mpanomponao ny saina mahiratra hifehezako ny vahoakanao sy hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa, raha tsy eo izany, iza moa no hahay mifehy izao vahoakanao marobe izao?


«Adidin’ny sofina ny mamantatra ny teny, ary adidin’ny lanilany kosa ny mahatsapa tsiron-kanina», hoy ny filàzan’ny oha-pitenenana.


Fa adidin’ny sofina ny mamantatra ny teny ary adidin’ny lanilany kosa ny mahatsapa tsiron-kanina.


dia ho fantatrao tokoa ny fanajana ny TOMPO ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.


Raha mihaino Ahy ianao, dia ho fantatrao ny marina sy rariny ary hizoranao avokoa ny lalam-pahasambarana.


Hiaina am-pahatokiana ianao, ry vahoakan’ny Tompo. Ny fahendrena amam-pahalalana no harem-pamonjena ho anao; ary ny fanajana ny TOMPO no raki-tsarobidy ho anao.


Koa ireo printsy dia hanana ny anjara taniny manokana ao Israely ka tsy hampahory ny vahoakan’ny Tompo intsony izy, fa hamela ny faritra sisa amin’ny tany ho an’ireo fokon’i Israely.»


Hitsara eo anivon’ny firenena maro Izy ary handresy lahatra ny firenena matanjaka, na ny akaiky na ny lavitra. Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho antsy fijinjana. Tsy hifamely amin’ny sabatra ny asany firenena, ary tsy hianatra ady intsony.


Ary nitombo fahendrena sy taona i Jesoa sady nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona.


ary tsy nilainy hisy vavolombelona manambara Azy momba ny olona; fa Izy mihitsy no nahafantatra izay tao am-pon’ny olona.


Aza dia mitsara araka ny ivelany fa mitsarà araka ny rariny.


Fa ho an’ny olon-dehibe ny ventin-kanina, dia ho an’ireo efa zatra nampiasa ny sainy hahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.


Nefa hoy ny TOMPO taminy: «Aza sodokan’ny tarehiny sy ny tsanganany ianao, fa tsy nifidy azy Aho akory. Tsy mba mitsara toy izay ataon’olombelona Aho. Ny olona mijery ivelany fotsiny ihany, fa Izaho TOMPO kosa mahita hatramin’ny atin’ny fo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra