Avy hatrany i Jesoa dia nanatsotra tanana ka nandray an’i Petera ary nanao taminy hoe: –Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?
Marka 9:22 - DIEM PROTESTANTA Ary matetika izy no nazeran’io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy. Fa raha mba misy hainao re dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary matetika izy no nazeran’io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay! Baiboly Katolika Dia hoy i Jesoa taminy: «Raha hainao ny mino, tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. Malagasy Bible Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. La Bible en Malgache Fa nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy. Fa raha mba misy hainao re dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay! |
Avy hatrany i Jesoa dia nanatsotra tanana ka nandray an’i Petera ary nanao taminy hoe: –Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?
sady nanao hoe: –Tompo ô, mamindrà fo amin’ny zanako lahy! Mararin’ny androbe izy ka mijaly tokoa, fa matetika mianjera any anaty afo na any anaty rano.
Onena i Jesoa ary nikasika ny mason’ireto jamba. Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy roa lahy, ka lasa nanaraka an’i Jesoa.
Ary indro nisy lehilahy marary hoditra nanatona Azy, dia niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe: –Tompo ô, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!
Ary rehefa niditra tao an-trano i Jesoa, dia nohatonin’ireo jamba; ka hoy i Jesoa taminy: –Mino ve ianareo fa haiko atao izany? Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Eny, Tompoko!
Tsy nanaiky i Jesoa fa niteny taminy hoe: –Andeha mody any an-tranonao, any amin’ireo havanao; ka lazao azy izay rehetra nataon’ny Tompo taminao noho ny famindrampony.
Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe: –Hatramin’ny oviana izao? Dia hoy ny rainy: –Hatramin’ny fahakeliny.
Vao nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: –Aoka izay ny ranomasonao, ramatoa!