Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 5:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Tsy nanaiky i Jesoa fa niteny taminy hoe: –Andeha mody any an-tranonao, any amin’ireo havanao; ka lazao azy izay rehetra nataon’ny Tompo taminao noho ny famindrampony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Tsy navelan’i Jesosy anefa izy, fa hoy kosa Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao, any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Tsy nanaiky i Jesoa fa niteny taminy hoe: –Andeha mody any an-tranonao, any amin’ireo havanao; ka lazao azy izay rehetra nataon’ny Tompo taminao noho ny famindrampony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy: «Andeha ihany mody any an-tranonao any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindràny fo taminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Nefa tsy navelan’i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Tsy navelan’i Jesosy anefa izy, fa hoy kosa Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao, any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 5:19
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia lasa i Namahàna nilaza tamin’ny mpanjaka ny zavatra nambaran’ilay zazavavikely israelita taminy.


Ianareo mpanaja an’Andriamanitra, tongava daholo mba hihaino fa hotantaraiko izay nataony tamiko.


Dia lasa ralehilahy nanao antso avo, eran’ny faritany atao hoe Dekapôly, izay rehetra nataon’i Jesoa taminy; ka dia gaga avokoa ny olona.


–Modia any an-tranonao, ka tantarao ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminao. Dia lasa ralehilahy nitory teny eran’ny tanàna ny zava-dehibe nataon’i Jesoa taminy.


–Ndao ianareo hizaha Lehilahy anankiray, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; izao angaha no ilay Mesia?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra