Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 5:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Raha ilay niondrana an-tsambokely iny i Jesoa, dia niangavy taminy kosa ilay azon’ny demony teo aloha nanao hoe: –Avelao aho hiaraka aminao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary rehefa hiondrana ho ao an-tsambokely Jesosy dia nangataka Taminy ilay demoniaka sitrana mba hijanona eo Aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Raha ilay niondrana an-tsambokely iny i Jesoa, dia niangavy taminy kosa ilay azon’ny demony teo aloha nanao hoe: –Avelao aho hiaraka aminao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy, dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary rehefa hiondrana ho ao an-tsambokely Jesosy dia nangataka Taminy ilay demoniaka sitrana mba hijanona eo Aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 5:18
10 Rohy Ifampitohizana  

Inona no havaliko ny TOMPO noho ny soa rehetra nataony tamiko?


Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.


dia tonga teo akaikin’i Jesoa ary nandinika ilay lehilahy azon’ny demony antsoina hoe Tafika teo, efa mipetraka tsara, mitafy lamba sady ary saina; ka nihoron-koditra izy rehetra.


Ry zareo nanatri-maso kosa nitantara tamin’ireo vao tonga ny zava-niseho tamin’ilay azon’ny demony sy ny nanjo ny kisoa teo.


Tamin’izay dia nitalahoan’ny olona i Jesoa hiala teo amin’ny taniny.


ary niantsoantso ka niteny tamin’ny feo mahery hoe: –Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra avo indrindra? Miangavy Anao amin’ny anaran’Andriamanitra aho, aza dia ampijalîna re!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra