Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 5:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Dia lasa ralehilahy nanao antso avo, eran’ny faritany atao hoe Dekapôly, izay rehetra nataon’i Jesoa taminy; ka dia gaga avokoa ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zava-dehibe efa nataon’i Jesosy taminy. Dia gaga ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Dia lasa ralehilahy nanao antso avo, eran’ny faritany atao hoe Dekapôly, izay rehetra nataon’i Jesoa taminy; ka dia gaga avokoa ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon’i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zava-dehibe efa nataon’i Jesosy taminy. Dia gaga ny olona rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 5:20
4 Rohy Ifampitohizana  

Ianareo mpanaja an’Andriamanitra, tongava daholo mba hihaino fa hotantaraiko izay nataony tamiko.


Vahoaka marobe no nanaraka Azy avy any Galilea sy Dekapôly, avy tany Jerosalema sy Jodea ary avy any andafin’i Jôrdàna.


Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin’ireo nanaraka Azy nanao hoe: –Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin’i Israely.


Dia niala tao amin’ny faritanin’i Tiro i Jesoa ka nandalo tany Sidôna ary niverina teo amin’ny farihin’i Galilea, rehefa avy namakivaky ny faritany atao hoe Dekapôly.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra