Koa raha nahita ny tarehin’i Mosesy namirapiratra i Aharôna sy ny Israelita rehetra, dia natahotra ny hanatona azy.
Marka 9:15 - DIEM PROTESTANTA Raha vao nahita an’i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niaraka tamin’izay, nony nahita an’i Jesosy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha vao nahita an’i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy. Baiboly Katolika Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: «Ny amin’inona no iadianareo hevitra amin’ireto?» Baiboly Protestanta Malagasy Ary niaraka tamin’izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. Malagasy Bible Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. La Bible en Malgache Ary niaraka tamin’izay, nony nahita an’i Jesosy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. |
Koa raha nahita ny tarehin’i Mosesy namirapiratra i Aharôna sy ny Israelita rehetra, dia natahotra ny hanatona azy.
Fa nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa ry i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba. Dia nanomboka nihoron-koditra sy feno tebiteby fatratra i Jesoa
Dia niditra tao am-pasana izy telo vavy ka raiki-tahotra nahita tovolahy niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana.
Fa hoy ilay tovolahy taminy: –Aoka izay ny tahotra. Mitady an’i Jesoa avy any Nazareta, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, ianareo; efa nitsangana velona Izy ka tsy eto intsony. Jereo fa teo ny toerana nametrahana Azy.
Dia nanontany ireto mpianatra i Jesoa nanao hoe: –Inona izato iadianareo hevitra amin’ny mpahay lalàna?
Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe: –Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!