Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 34:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Koa raha nahita ny tarehin’i Mosesy namirapiratra i Aharôna sy ny Israelita rehetra, dia natahotra ny hanatona azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Nony hitan’i Arona sy ny Zanak’Israely rehetra i Mosesy fa indro, namirapiratra ny hodi-tavany, dia natahotra azy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Koa raha nahita ny tarehin’i Mosesy namirapiratra i Aharôna sy ny Israelita rehetra, dia natahotra ny hanatona azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 I Aarôna sy ny zanak’i Israely rehetra nahita an’i Môizy ka indro nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, dia natahotra ny hanatona azy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Ary nony hitan’i Arona sy ny Zanak’Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 34:30
7 Rohy Ifampitohizana  

Niantso an-dry zareo i Mosesy, koa nanatona i Aharôna sy ny lehiben’ny vahoaka, dia niresaka taminy.


Tsy misy olona tena hendry ary tsy misy koa mahafantatra ny tena dikan-javatra. Kanefa ny fahendren’ny olona manazava ny tarehiny ary manalefaka ny endriny.


Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny teny mazava fa tsy miafina; ary mahita Ahy TOMPO miseho aminy izy; koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?


Raha vao nahita an’i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy.


ny fitafiany niova namirapiratra sady fotsy nangatsakatsaka, ary tsy misy mpanasa lamba mahadio sy mahafotsy lamba toy izany etỳ ambonin’ny tany.


Raha nahita izany i Simôna Petera, dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa nanao hoe: –Tompo ô, halaviro aho fa mpanota!


Raha natao sokitra teo amina takela-bato ny lalàna, dia niseho ny voninahitr’Andriamanitra; ary namirapiratra ny tavan’i Mosesy, ka tsy tantin’ny vahoaka Israely nobanjinina ny tavany, na dia namirapiratra nihelina ihany aza. Koa raha heni-boninahitra toy izany àry ny fanompoana teo amin’ny lalàna izay mitondra fahafatesana,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra