Eksodosy 34:29 - DIEM PROTESTANTA29 Dia nidina avy eny an-tendrombohitra Sinay indray i Mosesy, nitondra teny an-tanany ny vatofisaka roa misy ilay raki-tsoratry ny fanekempihavanana; tsy fantany anefa fa namirapiratra ny tarehiny noho ny niresahany tamin’Andriamanitra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201129 Ary nidina avy eo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy. Ary teny an-tanany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany fa namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara29 Dia nidina avy eny an-tendrombohitra Sinay indray i Mosesy, nitondra teny an-tanany ny vatofisaka roa misy ilay raki-tsoratry ny fanekempihavanana; tsy fantany anefa fa namirapiratra ny tarehiny noho ny niresahany tamin’Andriamanitra. Jereo ny tokoBaiboly Katolika29 Nidina avy an-tendrombohitra Sinaia i Môizy, ary i Môizy nitondra ny takelaka roan’ny vavolombelona teny an-tanany nony nidina avy any an-tendrombohitra; ary tsy fantatr’i Môizy fa tonga mpandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, nandritra ny niresahiny tamin’i Iaveh. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy29 Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. Jereo ny tokoMalagasy Bible29 Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. Jereo ny toko |
Raha nahita izany ny mpanjakan’i Hay, dia nampamoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanàna; ary nivoaka faingana hifanehatra amin’ny Israelita izy mbamin’ny miaramilany rehetra, ka niroso nankany amin’ny toerana efa nifamotoanany teo aloha, any amin’ny lohasahan’i Jôrdàna; nefa tsy fantatry ny mpanjaka fa misy miaramila namitsaka hamely azy tao ivohon’ny tanàna.