Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 7:36 - DIEM PROTESTANTA

Dia namepetra ny olona teo i Jesoa tsy hitantara na amin’iza na amin’iza; kanefa arakaraka ny nameperan’i Jesoa azy no vao mainka koa nampielezany izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza; kanefa na dia norarany aza ireo dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia namepetra ny olona teo i Jesoa tsy hitantara na amin’iza na amin’iza; kanefa arakaraka ny nameperan’i Jesoa azy no vao mainka koa nampielezany izany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza; fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza; kanefa na dia norarany aza ireo dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.

Jereo ny toko



Marka 7:36
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Jesoa taminy: –Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Fa i Jesoa niteny mafy azy ireo hoe: –Aza manao izay hahafantarana Ahy!


fa i Jesoa kosa namepetra mafy mba tsy hisy hahalala izao zavatra izao; ary dia nasainy nomena sakafo razazavavy.


Ary niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofin-dralehilahy ary nivaha ny fatoran’ny lelany, ka afaka niteny tsara izy.


Ary dia talanjona izaitsizy ny olona ka vaky vava hoe: –Tsara avokoa no nanaovany ny zavatra rehetra, fa sady nampalady ny marenina Izy no nampiteny ny moana.


Nalefan’i Jesoa hody any an-tranony ralehilahy sady nilazany hoe: «Aza mankao an-tanàna!»


Fony izy efa-mianaka nidina avy any an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza mitantara na amin’iza na amin’iza ny zavatra vao hitanareo, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.