Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Fony izy efa-mianaka nidina avy any an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza mitantara na amin’iza na amin’iza ny zavatra vao hitanareo, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary nony nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona amin’ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Fony izy efa-mianaka nidina avy any an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza mitantara na amin’iza na amin’iza ny zavatra vao hitanareo, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe, mitsangan-ko velona avy any amin’ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary nony nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona* amin’ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:9
15 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hifanditra aman’olona Izy na hihorakoraka, ary tsy handrenesana ny feony eny an-dalambe.


Nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny trozona i Jônà; toy izany koa, hitoetra telo andro sy telo alina ao an-kibon’ny tany ny Zanak’olona.


Hatramin’io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin’ny mpianany hoe: –Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.


ka nanao hoe: –Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona iny mpamitaka iny dia izao no teniny: «Amin’ny andro fahatelo, dia hitsangana velona Aho.»


Ary hoy i Jesoa taminy: –Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


fa i Jesoa kosa namepetra mafy mba tsy hisy hahalala izao zavatra izao; ary dia nasainy nomena sakafo razazavavy.


Dia namepetra ny olona teo i Jesoa tsy hitantara na amin’iza na amin’iza; kanefa arakaraka ny nameperan’i Jesoa azy no vao mainka koa nampielezany izany.


Notanan’izy telo lahy izany hafatra izany, kanefa nifampidinihany izay hevitry ny hoe «mitsangana velona avy any amin’ny maty».


Ary niaraka tamin’izay ireo mpianatra telo lahy dia nanopy maso manodidina, ka tsy nahita olona intsony teo aminy afa-tsy i Jesoa irery ihany.


sady hoy Izy taminy: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: tsy maintsy hijaly ny Mesia, nefa tsy maintsy hitsangana velona avy any amin’ny maty, amin’ny andro fahatelo;


Vao nanomboka niteny ilay feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Nahatam-bava ireo mpianany telo lahy; ka tamin’izany andro izany, dia tsy nilazalaza na inona na inona tamin’olona momba ny zavatra hitany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra