Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 5:43 - DIEM PROTESTANTA

43 fa i Jesoa kosa namepetra mafy mba tsy hisy hahalala izao zavatra izao; ary dia nasainy nomena sakafo razazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’olona izany; ary nasainy nomena hanina Razazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

43 fa i Jesoa kosa namepetra mafy mba tsy hisy hahalala izao zavatra izao; ary dia nasainy nomena sakafo razazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

43 Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’olona izany; ary nasainy nomena hanina Razazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 5:43
15 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izy efa-mianaka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza lazaina na amin’iza na amin’iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Dia nahiratra ny mason’izy roa lahy, fa i Jesoa namepetra azy mafy hoe: –Tandremo sao fantatr’olona izao!


Dia nasain’i Jesoa nandeha niaraka tamin’izay izy sady nofeperany mafy


Fa i Jesoa niteny mafy azy ireo hoe: –Aza manao izay hahafantarana Ahy!


Dia nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy, ka nandehandeha, fa efa feno 12 taona. Ary dia talanjona aoka izany ny olona teo;


Dia namepetra ny olona teo i Jesoa tsy hitantara na amin’iza na amin’iza; kanefa arakaraka ny nameperan’i Jesoa azy no vao mainka koa nampielezany izany.


Fony izy efa-mianaka nidina avy any an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza mitantara na amin’iza na amin’iza ny zavatra vao hitanareo, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.


Raha nipetraka hiara-misakafo iny izy telo mianaka, dia nandray ny mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany ka nozarainy sy nomeny azy roa lahy.


kanefa noraran’i Jesoa tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza sady nataony hoe: –Mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voalazan’i Mosesy, mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Talanjona tokoa ny ray aman-dreniny nefa nohafaran’i Jesoa tsy hilaza ny zava-nitranga na amin’iza na amin’iza.


Tsy hoe voninahitra avy amin’olombelona no tadiaviko;


tsy tamin’ny vahoaka ankapobeny fa taminay vavolombelona efa notendren’Andriamanitra mialoha hanambara an’i Jesoa. Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay taorian’ny nananganan’Andriamanitra Azy ho velona avy any amin’ny maty;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra