Ary nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao taminy hoe: –Nahoana no fanoharana no itenenanao amin’ny vahoaka?
Marka 7:17 - DIEM PROTESTANTA Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka i Jesoa ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy momba io fanoharana io ny mpianany; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano iray dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’izany fanoharana izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka i Jesoa ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy momba io fanoharana io ny mpianany; Baiboly Katolika Nony niala teo amin’ny vahoaka Izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian’ny mpianany ny amin’ilay fanoharana, Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’izany fanoharana izany. Malagasy Bible Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany. La Bible en Malgache Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano iray dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’izany fanoharana izany. |
Ary nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao taminy hoe: –Nahoana no fanoharana no itenenanao amin’ny vahoaka?
Tamin’izay dia nandao ny vahoaka i Jesoa ary nody tany an-trano; dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: –Hazavao aminay ny hevitry ny fanoharana momba ny tsimparifary nafafy an-tanimbary.
Dia niteny i Petera ka nanao taminy hoe: –Hazavao aminay ny hevitr’ilay fanoharana teo.
Tafaverina tao Kafarnahòma indray i Jesoa rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ren’ny olona fa hoe tao an-trano Izy.
Dia niverina tao an-trano i Jesoa; ary vory maro teo indray ny vahoaka, hany ka tsy afaka nisakafo Izy sy ny mpianany.
Rehefa nitokana lavitra ny vahoaka i Jesoa, dia nanontany Azy ny hevitry ny fanoharana ireo mpomba Azy mbamin’ny 12 lahy,
Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin’ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin’ireo mpianany ny zava-drehetra.
ka hoy i Jesoa taminy: –Hay ve ianareo koa mba tsy mahafantatra? Tsy takatrareo ve fa izay rehetra avy etỳ ivelany ka miditra ao amin’ny olona dia tsy mahaloto azy,
Rehefa tonga tao an-trano i Jesoa, dia nanontany Azy manokana ny mpianany nanao hoe: –Nahoana izahay no tsy naharoaka azy iny?