Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Rehefa tonga tao an-trano i Jesoa, dia nanontany Azy manokana ny mpianany nanao hoe: –Nahoana izahay no tsy naharoaka azy iny?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: Nahoana izahay no tsy afaka nandroaka an’iny?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Rehefa tonga tao an-trano i Jesoa, dia nanontany Azy manokana ny mpianany nanao hoe: –Nahoana izahay no tsy naharoaka azy iny?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Ka hoy Izy taminy: «Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: Izahay tsy nahavoaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay tsy nahavoaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:28
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao taminy hoe: –Nahoana no fanoharana no itenenanao amin’ny vahoaka?


Tamin’izay dia nandao ny vahoaka i Jesoa ary nody tany an-trano; dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: –Hazavao aminay ny hevitry ny fanoharana momba ny tsimparifary nafafy an-tanimbary.


Dia niteny i Petera ka nanao taminy hoe: –Hazavao aminay ny hevitr’ilay fanoharana teo.


Tafaverina tao Kafarnahòma indray i Jesoa rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ren’ny olona fa hoe tao an-trano Izy.


Dia niverina tao an-trano i Jesoa; ary vory maro teo indray ny vahoaka, hany ka tsy afaka nisakafo Izy sy ny mpianany.


Rehefa nitokana lavitra ny vahoaka i Jesoa, dia nanontany Azy ny hevitry ny fanoharana ireo mpomba Azy mbamin’ny 12 lahy,


Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin’ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin’ireo mpianany ny zava-drehetra.


Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka i Jesoa ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy momba io fanoharana io ny mpianany;


Fa noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Iny karazana iny dia tsy misy fomba azo amoahana azy afa-tsy ny fivavahana ihany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra