Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 6:22 - DIEM PROTESTANTA

Dia niditra ny zanakavavin’i Herôdiada ary nandihy, ka nahafaly an’i Herôda sy ny olona niara-nisakafo taminy. Dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: –Angataho amiko izay tianao na inona na inona, fa homeko anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Niditra tao ny zanakavavin’i Herodiasy dia nandihy ka nahafaly an’i Heroda mbamin’izay niara-nipetraka nisakafo taminy teo. Dia hoy ny mpanjaka tamin-dRazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona fa homeko anao izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niditra ny zanakavavin’i Herôdiada ary nandihy, ka nahafaly an’i Herôda sy ny olona niara-nisakafo taminy. Dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: –Angataho amiko izay tianao na inona na inona, fa homeko anao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: «Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao,»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka niditra ny zanakavavin’i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an’i Heroda mbamin’izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka niditra ny zanakavavin'i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an'i Heroda mbamin'izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Niditra tao ny zanakavavin’i Herodiasy dia nandihy ka nahafaly an’i Heroda mbamin’izay niara-nipetraka nisakafo taminy teo. Dia hoy ny mpanjaka tamin-dRazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona fa homeko anao izany.

Jereo ny toko



Marka 6:22
6 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa avy niboboka divay i Belsatsara, dia nampaka ireo tsatokaty volamena sy volafotsy izay nalain’i Nebokadnetsara rainy tao an-tempolin’i Jerosalema; tiany hisotro amin’ireny manko ny tenany sy ny olo-manan-kajany ary ireo vadiny mbamin’ny vaditsindranony.


«Ianareo itsofany sodina, tsy mandihy; ianareo anaovanay hira fisaonana, tsy mitomany!»


I Herôda manko no nampisambotra an’i Jôhany ary nampigadra azy sy nampanao azy am-ponja; ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahin’i Herôda, no antony.


Nony tonga anefa ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda.