Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 14:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nony tonga anefa ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Fa nony tonga ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Heroda dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin’i Herodiasy ka nahafaly an’i Heroda izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nony tonga anefa ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fa nony tonga ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin’i Herodiasy ka nahafaly an’i Heroda.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fa nony tonga ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin'i Herodiasy ka nahafaly an'i Heroda.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 14:6
21 Rohy Ifampitohizana  

Nony afaka telo andro, dia nitsingerina ny andro nahaterahan’ny Farao, ka nanao fanasam-be ho an’ireo mpanompony rehetra izy. Koa teo anivon’ireo mpanompony no nanehoan’ny Farao an’ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ilay lehiben’ny mpanao mofo.


Dia nanao fanasana ny amperôra ho fanomezam-boninahitra an’i Estera ka niantso izay rehetra andriambaventiny sy mpandraharahany izy. Nisy hetra nofoanany ho an’ireo mponina isam-paritra eran’ny fanjakany sady nisy fanomezana be nataony, satria nalala-tanana tokoa izy.


I Herôda manko no nampisambotra an’i Jôhany ary nampigadra azy sy nampanao azy am-ponja; ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahin’i Herôda, no antony.


Noho izany, dia niozonozona mihitsy ity mpanjaka fa hanome an-drazazavavy ny zavatra hangatahiny na inona na inona.


hoe: –Mpampianatra ô, izao no voalazan’i Mosesy: «Raha misy lehilahy maty tsy nanan-taranaka, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vady navelany, mba hiteraka hamela solofo ho an’ny maty.»


Nandre ny resadresaka maro i Herôda mpanjaka satria efa niely ny lazan’i Jesoa; fa hoy ny olona sasany: –I Jôhany Mpanao batisa, ilay efa maty io, fa velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.


Ny tenan’i Herôda mihitsy manko no naniraka olona hisambotra an’i Jôhany, ary nampigadra azy tao am-ponja. Ny antony dia ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahiny, nefa nalain’i Herôda ho vady.


Dia nanao otri-po tamin’i Jôhany i Herôdiada ka nifofo ny ainy, saingy tsy afa-nanoatra.


Dia namepetra azy ireo i Jesoa nanao hoe: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran’ny Farisianina sy ny levioran’i Herôda.


Tamin’izay fotoana izay, dia nisy Farisianina sasany nankeo amin’i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Mialà teto ianao ka mandehana any an-kafa, satria fofoin’i Herôda ny ainao.


Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy ka nesoiny sady nampiakanjoiny akanjo mamirapiratra, vao naveriny tany amin’i Pilato.


Nony fantany fa avy amin’ny tany fehezin’i Herôda i Jesoa, dia nalefany any amin’i Herôda izay tao Jerosalema koa tamin’izany andro izany.


Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’ny amperôra Tibèry –fony i Pônty Pilato no nifehy an’i Jodea, i Herôda no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakônitida, i Lisania no nanjaka tao Abilèna,


Notsinîn’i Jôhany hatrany kosa i Herôda mpanjaka noho izy naka an’i Herôdiada vadin-drahalahiny ary noho ny ratsy hafa rehetra vitan’ity mpanjaka.


sy i Jôhanina, vadin’i Kozà mpitandrim-pananan’i Herôda, ary i Sozanina sy ny maro hafa koa. Ireo vehivavy ireo dia samy nanampy an’i Jesoa sy ny mpianany tamin’ny fananany.


Tamin’izany fotoana izany, dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina ny olona sasantsasany anisan’ny Fiangonana mba hampahorîna.


Marina tokoa fa i Herôda sy i Pônty Pilato, niaraka tamin’ny olona hafa firenena sy ny vahoaka israelita, dia nivondrona teto amin’ity tanàna ity mba hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra