Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 6:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Kanjo tonga ny fotoana nifanojo indrindra tamin’izay nilan’i Herôdiada azy, dia ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Herôda, ka nanaovan’ity mpanjaka fanasana ho an’ireo tandapany sy ireo komandin’ny tafiny ary ireo loholona tao Galilea.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Tonga anefa ny andro izay nanaovan’i Heroda fanasana ho an’ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia noho ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Kanjo tonga ny fotoana nifanojo indrindra tamin’izay nilan’i Herôdiada azy, dia ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Herôda, ka nanaovan’ity mpanjaka fanasana ho an’ireo tandapany sy ireo komandin’ny tafiny ary ireo loholona tao Galilea.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tomponarivo ary ny loholona tany Galilea.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan’i Heroda fanasana ho an’ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin’ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan'i Heroda fanasana ho an'ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin'ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Tonga anefa ny andro izay nanaovan’i Heroda fanasana ho an’ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia noho ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 6:21
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary nankahalain’i Hesao i Jakôba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: «Efa akaiky ny andro hisaonana an’i dada, ary amin’izay no hamonoako an’i Jakôba rahalahiko.»


Nony afaka telo andro, dia nitsingerina ny andro nahaterahan’ny Farao, ka nanao fanasam-be ho an’ireo mpanompony rehetra izy. Koa teo anivon’ireo mpanompony no nanehoan’ny Farao an’ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ilay lehiben’ny mpanao mofo.


Dia nanao fanasana ny amperôra ho fanomezam-boninahitra an’i Estera ka niantso izay rehetra andriambaventiny sy mpandraharahany izy. Nisy hetra nofoanany ho an’ireo mponina isam-paritra eran’ny fanjakany sady nisy fanomezana be nataony, satria nalala-tanana tokoa izy.


Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Kserksesa, volana voalohany na volana Nisàna, no nanaovana ny antsapaka (atao hoe Porîma) teo anatrehan’i Hamàna hahafantarana ny fotoanandro tokony hanatanterahana izany; ka rehefa notetezina ny andro sy ny volana, dia ny volana faha-12 na volana Adara no voatondron’ny antsapaka.


Amin’ny andro fankalazana ny fetin’ny mpanjakany dia ny herin’ny divay no mamparary ireo mpifehy; ka olona mpaniratsira no raisin’ny mpanjaka tanana,


Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’ny amperôra Tibèry –fony i Pônty Pilato no nifehy an’i Jodea, i Herôda no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakônitida, i Lisania no nanjaka tao Abilèna,


Nony ampitso, dia tonga i Agripà sy i Berenîka, nianjaika tokoa araka ny fiandrianany be voninahitra. Niditra tao amin’ny efitra fitsarana izy mianadahy narahin’ny komandin’ny tafika sy ny olo-manan-kaja tao an-tanàna. Dia nasain’i Festo nalaina i Paoly ka nentiny nankeo.


Eny, fotoana maharitra ihany tamin’ny lasa no nanaovanareo ny zavatra fanaon’ny mpanompo sampy, ka nizoranareo tamin’ny fihetsika tsy maotina, ny fanirian-dratsy, ny fahamamoana, ny fihinanam-be loatra, ny fisotroana tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy izay tsy fanao.


Mifaly sy miravo ary mifanatitra fanomezana ny mponina ambonin’ny tany noho ny nahafatesan’ireo, fa nampiferinaina ny mponina ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra