Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 6:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Natahotra an’i Jôhany i Herôda satria hitany fa lehilahy mandala ny rariny sady masim-pitondrantena i Jôhany ka narovany. Isaky ny nihaino azy i Herôda, dia sahiran-tsaina mafy, nefa dia nahafinaritra azy ny nihaino azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 I Heroda dia natahotra an’i Jaona satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy ka narovany. Rehefa nihaino an’i Jaona izy dia very hevitra be ihany; kanefa nihaino azy tamin’ny hafaliana koa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Natahotra an’i Jôhany i Herôda satria hitany fa lehilahy mandala ny rariny sady masim-pitondrantena i Jôhany ka narovany. Isaky ny nihaino azy i Herôda, dia sahiran-tsaina mafy, nefa dia nahafinaritra azy ny nihaino azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Fa Heroda natahotra an’i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin’ny hafaliana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 6:20
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Ahaba tamin’i Elià: –Mbola hitanao ihany va aho, ry ilay fahavaloko? Ka novaliany hoe: –Eny, mbola hitako ihany ianao satria efa nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO;


Raha voan’ny aretina hahafaty azy i Elisà, dia lasa hamangy azy i Jôasy mpanjakan’i Israely ary nihohoka teo ambony tavan’i Elisà izy ka sady nitomany no nanao hoe: –Ry dada ô! Ry dada ô! Mahery mihoatra noho ny kalesin’i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra ianao!


Nony nahita ireo miaramila rehetra ireo ny mpanjakan’i Israely, dia niteny tamin’i Elisà hoe: –Ry ikaky, hasiako ho faty ve ireo?


Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôasy tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôiadà mpisorona.


I Hozià tamin’ny andro niainan’i Zakarià izay nampianatra azy hanaja an’Andriamanitra, dia nivavaka tokoa tamin’ny TOMPO Andriamanitra sady nomeny fanambinana.


Nataon’ny TOMPO nahita sitraka teo imason’ny Ejiptianina ny Israelita. I Mosesy koa dia lehilahy najaina fatratra tany Ejipta na teo amin’ny tandapan’ny Farao na teo amin’ny vahoaka Ejiptianina.


Koa aminy ianao dia toy ny mpihira mahafinaritra tsara feo sady arahina mozika mahasondriana. Mihaino ny teninao izy fa tsy manatanteraka azy.


Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany sady nisy sakafo ho an’ny miaina rehetra teo aminy; tao ambaniny no nialokaloka ny bibidia, ary tao amin’ny rantsany no nitoetra ny voro-manidina.


ary niteny izy ka nanao hoe: –Tsy ity moa ilay Babilôna lehibe izay naoriko ho fonenan’andriamanjaka? Porofo izao fa lehibe ny heriko izao ary heni-boninahitra ny fiandrianako.


Dia namaly i Daniela ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: –Ry mpanjaka ô, aoka ho anao ihany ny fanomezanao, ary omeo ny hafa ny valim-pitianao; fa ny soratra dia hovakiko aminao ihany ary hampahafantariko anao koa ny heviny.


Dia nifofo ny ain’i Jôhany i Herôda, saingy natahotra ny vahoaka jiosy, satria noheverin-dry zareo ho mpaminanin’Andriamanitra i Jôhany.


Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy», dia ny vahoaka no atahorantsika satria nankatoavin’izy rehetra ho mpaminanin’Andriamanitra i Jôhany.


Ary nahare izany ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna, ka nitady izay fomba hamonoana an’i Jesoa; fa natahotra Azy manko ry zareo satria nahatalanjona ny vahoaka rehetra ny fampianarany.


Ao koa ny amafazana an-tany be vato: vao mahaheno ny teny izy, dia mandray azy an-kafaliana,


I Jôhany dia toy ny jiro nirehitra sy nanazava, ka satrinareo nifaliana vetivety ny fahazavany.


Talanjona sady very hevitra izy rehetra ka velon-dresaka hoe: –Inona re no hevitr’izao?


Raha nandre izany teny izany ity lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ny lohandoha-mpisorona, dia very hevitra ny amin’ireo apôstôly sy ny hiafaran’izao toe-javatra izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra