Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 6:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Dia niditra ny zanakavavin’i Herôdiada ary nandihy, ka nahafaly an’i Herôda sy ny olona niara-nisakafo taminy. Dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: –Angataho amiko izay tianao na inona na inona, fa homeko anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Niditra tao ny zanakavavin’i Herodiasy dia nandihy ka nahafaly an’i Heroda mbamin’izay niara-nipetraka nisakafo taminy teo. Dia hoy ny mpanjaka tamin-dRazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona fa homeko anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Dia niditra ny zanakavavin’i Herôdiada ary nandihy, ka nahafaly an’i Herôda sy ny olona niara-nisakafo taminy. Dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: –Angataho amiko izay tianao na inona na inona, fa homeko anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: «Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao,»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 ka niditra ny zanakavavin’i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an’i Heroda mbamin’izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 ka niditra ny zanakavavin'i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an'i Heroda mbamin'izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Niditra tao ny zanakavavin’i Herodiasy dia nandihy ka nahafaly an’i Heroda mbamin’izay niara-nipetraka nisakafo taminy teo. Dia hoy ny mpanjaka tamin-dRazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona fa homeko anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 6:22
6 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa avy niboboka divay i Belsatsara, dia nampaka ireo tsatokaty volamena sy volafotsy izay nalain’i Nebokadnetsara rainy tao an-tempolin’i Jerosalema; tiany hisotro amin’ireny manko ny tenany sy ny olo-manan-kajany ary ireo vadiny mbamin’ny vaditsindranony.


«Ianareo itsofany sodina, tsy mandihy; ianareo anaovanay hira fisaonana, tsy mitomany!»


I Herôda manko no nampisambotra an’i Jôhany ary nampigadra azy sy nampanao azy am-ponja; ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahin’i Herôda, no antony.


Nony tonga anefa ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra