Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 2:24 - DIEM PROTESTANTA

Ka hoy ny Farisianina tamin’i Jesoa: –Jereo, nahoana ireto mpianatrao no manao zavatra tsy fanao amin’ny andro sabata?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy ny Fariseo Taminy: Jereo, nahoana ireo no manao izay tsy azo atao amin’ny Sabata?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka hoy ny Farisianina tamin’i Jesoa: –Jereo, nahoana ireto mpianatrao no manao zavatra tsy fanao amin’ny andro sabata?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ka hoy ny Farisianina taminy: «Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin’ny Sabata?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy ny Fariseo* Taminy: Jereo, nahoana ireo no manao izay tsy azo atao amin’ny Sabata?

Jereo ny toko



Marka 2:24
18 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny andro fahafito dia sabata voatokana ho Ahy TOMPO Andriamanitrao; koa aza manao raharaha mihitsy amin’io andro io, na ianao na ny zanakao na ny mpanomponao na ny biby fiompinao na ny vahiny izay ao an-tanànanao.


Misy andro enina hiasana isan-kerinandro, fa ny andro fahafito dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho Ahy TOMPO. Koa izay olona rehetra miasa amin’ny andro sabata dia hovonoina ho faty.


Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko sy mifikitra mafy amin’izany, ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy, ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy.»


Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Ny eonòka mitandrina ny sabatako ka mifidy ny hanao izay sitrako sy mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanako,


Ho an’ny hafa firenena miraiki-po amin’ny TOMPO mba hanao fanompoam-pivavahana aminy sady tia Azy ary tonga mpanompony dia izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO aminy: «Raha mitandrina ny sabata izy ka tsy manimbazimba azy sy mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanako,


Hoy koa ny TOMPO hoe: «Raha atsahatrao ny fanosihosena ny sabata, ka tsy ny tombontsoanao no enjehinao amin’ny andro voatokana ho Ahy, raha ny sabata no lazainao hoe andro mahafinaritra, raha ny andro voatokana ho Ahy no lazainao hoe mendrika hohajaina, raha hajainao tokoa izany ka fadînao ny fanaonao na ny manenjika ny tombontsoanao na ny miteniteny foana,


Nahita izany ny Farisianina ka nanao tamin’i Jesoa hoe: –Jereo ny mpianatrao fa manao zavatra tsy fanao amin’ny andro sabata!


Rehefa nahita an’i Jesoa niara-nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra ireo mpahay lalàna anisan’ny antokom-pivavahana Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe: –Dia miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota ve Izy io?


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy mbola novakînareo tao amin’ny Soratra Masina angaha izay nataon’i Davida raha tsy nanan-kohanina ka noana izy mbamin’ireo olona niaraka taminy?


«Nahoana no miteny toy izany ilay ity? Manevateva an’Andriamanitra! Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany?»


Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo.