Tamin’izany andro izany i Jesoa dia niala tao an-trano ary lasa nipetraka teo amoron’ny farihin’i Galilea mba hampianatra.
Marka 2:13 - DIEM PROTESTANTA Dia nankany amoron’ny farihin’i Galilea indray i Jesoa ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra ka nampianariny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra ka nampianatra azy ireo Izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nankany amoron’ny farihin’i Galilea indray i Jesoa ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra ka nampianariny. Baiboly Katolika Ary nivoaka ho any amoron-dranomasina indray Izy ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nampianatra azy Izy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy. Malagasy Bible Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy. La Bible en Malgache Lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra ka nampianatra azy ireo Izy. |
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia niala tao an-trano ary lasa nipetraka teo amoron’ny farihin’i Galilea mba hampianatra.
Raha niala teo i Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy: –Avia hiaraka amiko. Dia nitsangana i Matio ka nandeha niaraka taminy.
Kanjo raha vao niala teo ralehilahy, dia nanao antso avo izay nitranga taminy ary nampiely izany. Koa tsy afa-niditra an-tanàna tamin’ny fomba miharihary intsony i Jesoa; fa dia any amin’ny toerana mangina ivelan-tanàna any foana Izy, kanefa mbola nohatonin’ny olona avy eny rehetra eny.
Nony niala teo i Jesoa, dia nankany amin’ny faritra antsisin’i Jodea, eny andafin’ny ony Jôrdàna. Ary tonga maro teo aminy indray ny olona, ka nampianariny toy ny fanaony.
Dia vory marobe ny olona ka tsy nisy hitoerana intsony na dia teny anoloan’ny varavarana aza; ary i Jesoa nanambara ny tenin’Andriamanitra taminy.
Dia nampianatra teo moron’ny farihin’i Galilea indray i Jesoa; ary vahoaka be no nitangorona teo akaikiny, ka voatery niondrana an-tsambokely Izy, dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ an-tanety amoron’ny farihy.
Saingy tsy hitan-dry zareo izay hatao satria liana fatratra ny vahoaka rehetra mihaino Azy.
Ary vao maraina be, dia nanatona Azy ao an-kianjan’ny tempoly ny vahoaka rehetra mba hihaino Azy.