Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 1:45 - DIEM PROTESTANTA

45 Kanjo raha vao niala teo ralehilahy, dia nanao antso avo izay nitranga taminy ary nampiely izany. Koa tsy afa-niditra an-tanàna tamin’ny fomba miharihary intsony i Jesoa; fa dia any amin’ny toerana mangina ivelan-tanàna any foana Izy, kanefa mbola nohatonin’ny olona avy eny rehetra eny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

45 Nefa lasa Ralehilahy ka nanomboka nitantara sy nampiely izay zava-niseho, hany ka tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy fa nitoetra tany ivelany tany amin’ny tany efitra Izy; dia nanatona Azy ny olona avy teny amin’ny manodidina rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

45 Kanjo raha vao niala teo ralehilahy, dia nanao antso avo izay nitranga taminy ary nampiely izany. Koa tsy afa-niditra an-tanàna tamin’ny fomba miharihary intsony i Jesoa; fa dia any amin’ny toerana mangina ivelan-tanàna any foana Izy, kanefa mbola nohatonin’ny olona avy eny rehetra eny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

45 Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangigina Izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin’ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

45 Nefa lasa Ralehilahy ka nanomboka nitantara sy nampiely izay zava-niseho, hany ka tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy fa nitoetra tany ivelany tany amin’ny tany efitra Izy; dia nanatona Azy ny olona avy teny amin’ny manodidina rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 1:45
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy aho anakampoko hoe: «Ny mampahararirary ahy dia izao: Tsy manao asa mahery ho anay intsony ilay Andriamanitra Avo Indrindra.»


Dia nandray ny vola ny miaramila ka nanao araka ny teny nomen-dry zareo azy. Ary izany tantara izany no niely tamin’ireo Jiosy mandraka androany.


Ary niely eran’io faritany io ny lazan’izany.


Kanjo nony lasa ireo, dia nampiely ny lazan’i Jesoa manerana io faritany io.


Dia nankany amoron’ny farihin’i Galilea indray i Jesoa ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra ka nampianariny.


Dia niverina tao an-trano i Jesoa; ary vory maro teo indray ny vahoaka, hany ka tsy afaka nisakafo Izy sy ny mpianany.


Dia lasa i Jesoa nihataka teny amoron’ny farihin’i Galilea niaraka tamin’ny mpianany. Vahoaka maro no nanaraka Azy avy ao Galilea; toy izany koa ny avy any Jodea


Dia namepetra ny olona teo i Jesoa tsy hitantara na amin’iza na amin’iza; kanefa arakaraka ny nameperan’i Jesoa azy no vao mainka koa nampielezany izany.


Nisy vahoaka maro nanaraka Azy, noho ny nahitan’izy ireo ny famantarana nataon’i Jesoa hanasoavana ny marary.


Fa maro tokoa, indrindra tamin’ireo Jiosy tonga kristianina, no mikomy sy manodoka ny olona amin’ny taria poaka àty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra