Fahoriana be sady mafy no navelanao hihatra tamiko; kanefa hovelombelominao indray aho, ary hampiakarinao indray ho afaka amin’ny fasana mampihitsoka.
Marka 16:6 - DIEM PROTESTANTA Fa hoy ilay tovolahy taminy: –Aoka izay ny tahotra. Mitady an’i Jesoa avy any Nazareta, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, ianareo; efa nitsangana velona Izy ka tsy eto intsony. Jereo fa teo ny toerana nametrahana Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza matahotra ianareo; Jesosy avy any Nazareta izay voahombo tamin’ny hazofijaliana no tadiavinareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahana Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy ilay tovolahy taminy: –Aoka izay ny tahotra. Mitady an’i Jesoa avy any Nazareta, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, ianareo; efa nitsangana velona Izy ka tsy eto intsony. Jereo fa teo ny toerana nametrahana Azy. Baiboly Katolika Fa hoy ilay zatovo taminy: «Aza matahotra ianareo; mitady an’i Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo; efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy eto; teo no nametrahany Azy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an’i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, hianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy. Malagasy Bible Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy. La Bible en Malgache Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza matahotra ianareo; Jesosy avy any Nazareta izay voahombo tamin’ny hazofijaliana no tadiavinareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahana Azy. |
Fahoriana be sady mafy no navelanao hihatra tamiko; kanefa hovelombelominao indray aho, ary hampiakarinao indray ho afaka amin’ny fasana mampihitsoka.
Nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny trozona i Jônà; toy izany koa, hitoetra telo andro sy telo alina ao an-kibon’ny tany ny Zanak’olona.
ka niantsoantso mafy hoe: –Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra e!
Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe: –Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon’ity olona ity ka manaiky Azy!
ka hoesoiny, hororany sy hokapohiny ary dia hovonoiny ho faty. Kanefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona Izy.
Fa nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa ry i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba. Dia nanomboka nihoron-koditra sy feno tebiteby fatratra i Jesoa
Raha vao nahita an’i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy.
sady hoy Izy taminy: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: tsy maintsy hijaly ny Mesia, nefa tsy maintsy hitsangana velona avy any amin’ny maty, amin’ny andro fahatelo;
nefa natsangan’Andriamanitra ho velona sy nafahany tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, fa sanatria raha hahatana Azy ny fahafatesana!
dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin’ny vahoaka Israely manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana kanefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty.