Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Raha vao nahita an’i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary niaraka tamin’izay, nony nahita an’i Jesosy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Raha vao nahita an’i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: «Ny amin’inona no iadianareo hevitra amin’ireto?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary niaraka tamin’izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Ary niaraka tamin’izay, nony nahita an’i Jesosy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:15
7 Rohy Ifampitohizana  

Koa raha nahita ny tarehin’i Mosesy namirapiratra i Aharôna sy ny Israelita rehetra, dia natahotra ny hanatona azy.


Fa nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa ry i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba. Dia nanomboka nihoron-koditra sy feno tebiteby fatratra i Jesoa


Dia niditra tao am-pasana izy telo vavy ka raiki-tahotra nahita tovolahy niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana.


Fa hoy ilay tovolahy taminy: –Aoka izay ny tahotra. Mitady an’i Jesoa avy any Nazareta, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, ianareo; efa nitsangana velona Izy ka tsy eto intsony. Jereo fa teo ny toerana nametrahana Azy.


Dia nanontany ireto mpianatra i Jesoa nanao hoe: –Inona izato iadianareo hevitra amin’ny mpahay lalàna?


Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe: –Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra