Izaho manko, na ambany fahefan’olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.
Marka 14:13 - DIEM PROTESTANTA Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Mandehana mankany an-tanàna, fa hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo, dia iny arahina; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka niteny taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Mandehana mankany an-tanàna, fa hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo, dia iny arahina; Baiboly Katolika Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: «Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy. Malagasy Bible Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy. La Bible en Malgache Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka niteny taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy. |
Izaho manko, na ambany fahefan’olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.
Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, izay andro famonoana ny zanak’ondry ho an’ny sakafo Paska, dia hoy ny mpianany tamin’i Jesoa: –Aiza no tianao hanomananay ho Anao ny sakafo Paska?
ary ilazao ny tompon’izay trano hidirany hoe: «Izao no tenin’ny Mpampianatra: aiza, hono, izay efitrano hiarahako mihinana ny sakafo Paska amin’ny mpianatro?»
Dia hoy ny renin’i Jesoa tamin’ireo mpanompo: –Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!
Tsy misy zavaboaary miafina amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin’izay ataontsika.
Nony efa tonga amin’izay fanaperana Izy, dia zary loharanom-pamonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manoa Azy,