Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, izay andro famonoana ny zanak’ondry ho an’ny sakafo Paska, dia hoy ny mpianany tamin’i Jesoa: –Aiza no tianao hanomananay ho Anao ny sakafo Paska?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Tamin’ny andro voalohany amin’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany Taminy: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho Anao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, izay andro famonoana ny zanak’ondry ho an’ny sakafo Paska, dia hoy ny mpianany tamin’i Jesoa: –Aiza no tianao hanomananay ho Anao ny sakafo Paska?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ary tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: «Aiza no tianao halehanay hamboaranay ny hihinananao ny Paka?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 ARY tamin’ny voalohan’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Tamin’ny andro voalohany amin’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany Taminy: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho Anao?

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:12
16 Rohy Ifampitohizana  

Manomboka ny harivan’ny andro faha-14 amin’ny volana voalohany ka hatramin’ny harivan’ny andro faha-21 amin’ny volana no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora.


Hotehiriziko hatramin’ny andro faha-14 amin’ity volana ity izany, ka ny harivan’io andro io dia samy hamono azy ny fiangonana israelita manontolo.


Atsatsiho amin’ny afo ny hena, ary hano amin’io alina io miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anamafaitra.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr’Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Jôhany.


Indroa andro sisa tsy hahatongavan’ny fankalazana ny Paska sy ny azima, dia nitady izay hisamborana an’i Jesoa am-pitaka ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna hamonoany Azy.


Faly ry zareo nandre izany, ka nanaiky hanome vola an’i Jodasy; ary dia notadiavin’i Jodasy izay fotoana mety hanolorany an’i Jesoa.


Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Mandehana mankany an-tanàna, fa hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo, dia iny arahina;


fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan’ny lalàna jiosy,


Tsy ho azonareo anaovana ny soron’ny Paska avokoa tsy akory ny tanàna rehetra izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra