Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Faly ry zareo nandre izany, ka nanaiky hanome vola an’i Jodasy; ary dia notadiavin’i Jodasy izay fotoana mety hanolorany an’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Rehefa nandre izany izy ireo dia faly ka nampanantena fa hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay andro hahazoany manolotra Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Faly ry zareo nandre izany, ka nanaiky hanome vola an’i Jodasy; ary dia notadiavin’i Jodasy izay fotoana mety hanolorany an’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Faly ireo nony nandre izany, ka nanaiky hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay fotoana mety hamadihany Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Rehefa nandre izany izy ireo dia faly ka nampanantena fa hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay andro hahazoany manolotra Azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:11
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Ahaba tamin’i Elià: –Mbola hitanao ihany va aho, ry ilay fahavaloko? Ka novaliany hoe: –Eny, mbola hitako ihany ianao satria efa nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO;


Fa hoy indray i Elisà: –Moa ataonao tsy ho hitako am-panahy ve iny lehilahy izay niala tamin’ny kalesiny hitsena anao iny? Tsy fotoana fandraisam-bola na fitafiana, na tanin’ôliva na tanimboaloboka, na ondry aman’osy, na omby, na mpanompolahy na mpanompovavy izao;


Manafim-paharatsiana sy fiokoana izy no mamalifaly ny mpanjaka sy ny mpifehy.


Tamin’izay ny anankiray tamin’ny mpianatra 12 lahy, ilay atao hoe Jodasy Iskariôta, dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona


ka nanao taminy hoe: –Homenareo hoatrinona aho hanolorako anareo an’i Jesoa? Dia nanisa sekela volafotsy telopolo homena an’i Jodasy ry zareo.


Fa i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny 12 lahy, dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona mba hanolotra an’i Jesoa hovonoina.


Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, izay andro famonoana ny zanak’ondry ho an’ny sakafo Paska, dia hoy ny mpianany tamin’i Jesoa: –Aiza no tianao hanomananay ho Anao ny sakafo Paska?


Kanjo nidiran’i Satàna tao am-pon’i Jodasy, ilay atao hoe Iskariôta, anisan’ny 12 lahy.


Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ny olona sasany, fatra-pitady izany, dia efa tafavily niala tamin’ny finoana, ka nandefon-tena tamin’ny fijaliana maro.


Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra