Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 13:4 - DIEM PROTESTANTA

–Lazao anay: oviana no hahatongavan’izany ary inona no famantarana fa hoe madiva ho tonga ny fiafaran’ireo rehetra ireo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Lazao aminay: Rahoviana no ho tonga izany? Ary inona no ho famantarana rehefa ho tonga izany rehetra izany?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Lazao anay: oviana no hahatongavan’izany ary inona no famantarana fa hoe madiva ho tonga ny fiafaran’ireo rehetra ireo?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

«Lazao aminay rahoviana no ho tonga izany, ary inona no ho famantarana hahalalana fa efa ho tanteraka izany rehetra izany?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Lazao aminay: Rahoviana no ho tonga izany? Ary inona no ho famantarana rehefa ho tonga izany rehetra izany?

Jereo ny toko



Marka 13:4
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny anankiray tamin’ireo no niteny tamin’ilay lehilahy nitafy rongony fotsy teo ambonin’ny ranon’ny ony ka nanao hoe: ‹Rahoviana no hifarana ireo zava-mahagaga ireo?›


«Izaho Daniela dia nandre izany nefa tsy nahafantatra ny heviny, ka nanontany hoe: ‹Tompoko, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo?›


Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Analanôliva i Jesoa; dia nanatona Azy manokana ireo mpianany ka nanao hoe: –Lazao aminay izay fotoana hahatongavan’izany ary izay hamantarana ny fiavianao sy ny fiafaran’izao tontolo izao.


Ary nony nipetraka teo amin’ny tendrombohitra Analanôliva tandrifin’ny tempoly i Jesoa, dia nanontany Azy manokana i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany sy i Andrea nanao hoe:


Ka hoy i Jesoa taminy: –Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo.


Ary nanontanian’ireo indray i Jesoa hoe: –Mpampianatra ô, oviana no hahatongavan’izany ary inona no hamantarana fa madiva ho avy izany?