Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 24:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Analanôliva i Jesoa; dia nanatona Azy manokana ireo mpianany ka nanao hoe: –Lazao aminay izay fotoana hahatongavan’izany ary izay hamantarana ny fiavianao sy ny fiafaran’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka niteny hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany ary izay ho famantarana ny fiavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Analanôliva i Jesoa; dia nanatona Azy manokana ireo mpianany ka nanao hoe: –Lazao aminay izay fotoana hahatongavan’izany ary izay hamantarana ny fiavianao sy ny fiafaran’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: «Lazao anay izay andro hahatongavan’izany, sy ny famantarana ny hiavianao mbamin’ny hahataperan’izao tontolo izao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka niteny hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany ary izay ho famantarana ny fiavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 24:3
23 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia nandao ny vahoaka i Jesoa ary nody tany an-trano; dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: –Hazavao aminay ny hevitry ny fanoharana momba ny tsimparifary nafafy an-tanimbary.


Dia tahaka izany no hatao amin’ny fiafaran’izao tontolo izao; ho tonga ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny olo-marina,


Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany, ka nanao taminy hoe: –Fantatrao ve fa tezitra mafy ny Farisianina raha nandre izany teny izany?


Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.


Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.


Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa manokana ireto mpianatra ka nanontany Azy hoe: –Nahoana izahay no tsy naharoaka iny demony iny?


Ary nanakaiky an’i Jerosalema i Jesoa mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka tonga teo anilan’ny tanàna Betifage, eo amin’ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva. Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:


Eny, ho tahaka ny tselatra, mipoitra avy any atsinanana ka manazava hatrany andrefana, no fiavian’ny Zanak’olona.


Amin’izay dia hiseho eny amin’ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak’olona; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak’olona tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.


Eny, tahaka ny tamin’ny andron’i Noà, dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona.


ary tsy nanampo na inona na inona ny olona mandra-pahatongan’ny safodrano izay nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona.


Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamîna.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Ary nanontanian’ireo indray i Jesoa hoe: –Mpampianatra ô, oviana no hahatongavan’izany ary inona no hamantarana fa madiva ho avy izany?


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tsy anjaranareo ny mahalala ny fotoana na ny vaninandro voatendrin’ny Ray araka ny fahefàny manokana.


raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nahariana an’izao tontolo izao. Fa niseho indray mandeha monja Izy tamin’izao andro tena farany izao, mba hanaisotra ny ota tamin’ny nanolorany tena ho sorona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra