Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 24:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ary hoy i Jesoa taminy: Tandremo sao hisy hamitaka anareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 24:4
14 Rohy Ifampitohizana  

«Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely: ‹Aza manaiky hofitahin’ireo mpaminany izay eo anivonareo na ireo mpisikidy. Aza mihaino ireo mpilaza nofy izay manazava ny nofinareo.


Ary izao koa no lazaiko aminareo: Aza mamita-tena foana ka hihevitra fa lasa tanteraka ny Babilônianina, satria tsy nandeha velively ireo!


Fa olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany no hijoro, ka hanao famantarana sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin’Andriamanitra aza raha azony natao.


Dia novaliany hoe: –Tandremo sao voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako sady hanao hoe: «Izaho no Mesia», ary «Tonga ny fotoana!» Aza mba manaraka an’ireny.


Eny, raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamita-tena izy;


Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan’ny onja etsy sy eroa na hatolatolan’ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson’ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany.


Aza mety hofitahina amin’izay teny foana ianareo; fa ny zavatra toy izany indrindra no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra hihatra amin’ireo olona tsy manaiky Azy.


Aoka tsy hisy olona hisakana anareo tsy hahazo ny amboara, ka hitaona anareo hanana fanetrentena haitraitra sy hivavaka amin’ny anjely. Manindrahindra ny fahitana azony ry zareo ka mieboebo tsy amin’antony, noho ny fisainany baikoin’ny maha olombelona azy.


Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny fahendren’olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain’olombelona sy ny herin-javatr’izao tontolo izao no iorenan’izany fa tsy i Kristy;


Aza mety hofitahin’olona mihitsy ianareo; satria tsy ho tonga izany andro izany raha tsy efa mitranga ny fikomiana farany amin’Andriamanitra ary aseho ilay mpanao ratsy, ilay mirona amin’ny fahaverezana.


Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra