Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 13:2 - DIEM PROTESTANTA

Dia hoy i Jesoa taminy: –Hitanao ve ireo rafitra miezinezina ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy Jesosy: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy i Jesoa taminy: –Hitanao ve ireo rafitra miezinezina ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Hitanao va ireo rafitra lehibe ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy Jesosy: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.

Jereo ny toko



Marka 13:2
10 Rohy Ifampitohizana  

–Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»


Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.


Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.


Ary niteny i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe: –Hitanareo moa ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana!


–Ho avy ny andro handravana ireo zavatra banjininareo ireo ary tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.


satria efa renay nilaza fa hoe i Jesoa avy any Nazareta dia handrodana ity tempoly ity ary hanova ny fanao natolotr’i Mosesy antsika.


Ny kianjan’ny tempoly, ilay eo ivelany, dia avelao ihany fa aza refesina; satria nomena ny hafa firenena izany, ka hanitsakitsaka ny tanàna masina izy ireo mandritra ny 42 volana.