Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 13:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nony niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: –Mpampianatra ô, jereo ange! Endrey ireto vato, endrey ireto rafitra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary nony niala teo amin’ny tempoly Jesosy dia hoy ny iray tamin’ny mpianany: Mpampianatra ô, akory ny hatsaran’ireto vato sy rafitra ireto!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nony niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: –Mpampianatra ô, jereo ange! Endrey ireto vato, endrey ireto rafitra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nony nivoaka avy ao amin’ny Tempoly Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: «Ry Mpampianatra ô, jereo ange, endrey ireto vato sy izato rafitra!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY nony niala teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary nony niala teo amin’ny tempoly Jesosy dia hoy ny iray tamin’ny mpianany: Mpampianatra ô, akory ny hatsaran’ireto vato sy rafitra ireto!

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 13:1
9 Rohy Ifampitohizana  

«Rehefa tonga any Babilôna ianao, dia imasoy ny hamaky mafy ireo teny rehetra ireo;


Dia nikopaka elatra handeha ireo kerobima ka tsinjoko niakatra niala avy amin’ny tany, ary niara-niainga taminy koa ireo kodiarana. Nijanona teo anilan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny TOMPO izy ka namirapiratra teo amboniny ny voninahitr’Andriamanitr’i Israely.


Niakatra avy eo ambonin’ny kerobima hankeny amin’ny tokonam-baravaran’ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO. Koa nanjary feno raho-matevina ny tempoly; ary ny kianja kosa dia namirapiratry ny voninahitry ny TOMPO.


Dia hoy indray ny Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izay ataon’ny olona eo? Fa ny firenen’i Israely dia manao izay fomba maharikoriko mba hampanalavitra Ahy amin’ity toerako masina ity. Nefa mbola hahita fomba hafa maharikoriko toy izany ianao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra