Naninji-tanana ireo mpandresy haka ny zava-tsarobidiny rehetra. Hitan’i Jerosalema aza fa ny hafa firenena dia nitsofoka tao amin’ny Toeramasina; nefa noraranao ireny, Tompo ô tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao.
Marka 13:14 - DIEM PROTESTANTA –Ho hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy «ilay fanimbazimbana mahatsiravina.» (Aoka hahazo tsara izay mamaky). Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa rehefa hitanareo mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany «ilay mpandrava mahatsiravina» (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ho hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy «ilay fanimbazimbana mahatsiravina.» (Aoka hahazo tsara izay mamaky). Baiboly Katolika «Ary raha hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy ny fahavetavetan’ny fandravana (aoka hahafantatra izay mamaky ity), dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra; Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha hitanareo mitsangana amin’izay tsy mety hitsanganany „ny fahavetavetan’ny fandravana” (Dan. 12.11; 9.27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. Malagasy Bible Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. La Bible en Malgache Fa rehefa hitanareo mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany «ilay mpandrava mahatsiravina» (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia*; |
Naninji-tanana ireo mpandresy haka ny zava-tsarobidiny rehetra. Hitan’i Jerosalema aza fa ny hafa firenena dia nitsofoka tao amin’ny Toeramasina; nefa noraranao ireny, Tompo ô tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao.
«Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ny vahiny tsy miraiki-po amiko sady tsy voafora dia tsy misy hahazo miditra intsony ao amin’ny Toeramasina onenako, na dia mipetraka eo anivon’ny Israelita aza izy.»
Ary ireo miaramila hirahiny dia haka toerana eo anoloan’ny toeramasina mimanda ka hanazimba azy; hampitsahatra ny sorona fanao isan’andro amin’Andriamanitra izy sady hampiditra ilay fanimbazimbana mahatsiravina.
Ary manomboka amin’ny fotoana hampitsaharana ny sorona fanao isan’andro ka hampidirana ilay fanimbazimbana mahatsiravina dia hisy 1 290 andro.
Dia nandre anjely iray niteny aho; ary nisy anjely iray hafa nanontany azy hoe: «Mandra-pahoviana no haharetan’izay zavatra nasehon’ny fahitana? Mandra-pahoviana no ho foana ny sorona isan’andro, no hanjaka ny halozana mahatonga fandravana ary ho voahosihosy ny Toeramasina mbamin’ny tafiky ny lanitra?»
Ary amin’ny fito taona farany dia hampihatra fanerena henjana amin’ny olona maro izy, ka afaka telo taona sy tapany monja dia hampitsahatra ny sorona sy ny fanatitra. Fanompoan-tsampy maharikoriko no hanesika izany mpandrava izany mandra-pigadon’ny famongorana izay voatendry hiantonta aminy.
Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Efa fantatrareo ve izany rehetra izany? Ka novalian’ireo hoe: –Eny, efa fantatray!
Ry havako, aoka tsy ho zaza ianareo amin’ny fisainana; eny, raha momba ny ratsy dia aoka ho zaza ianareo, fa raha amin’ny fisainana dia aoka ho olondehibe.
Sambatra izay mamaky sy ireo mihaino ny tenin’ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoanandro hahatanterahan’ireo zavatra ireo.
Eto no ilàna fahendrena! Izay manan-tsaina, aoka hanombantombana ny isa mifandraika amin’ilay biby, fa isa milaza olona izany; ary 666 no isa mifandraika aminy.