Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 1:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Sambatra izay mamaky sy ireo mihaino ny tenin’ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoanandro hahatanterahan’ireo zavatra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny! Fa antomotra ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Sambatra izay mamaky sy ireo mihaino ny tenin’ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoanandro hahatanterahan’ireo zavatra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 1:3
15 Rohy Ifampitohizana  

Sambatra izay olona mihaino ahy ka miandry isan’andro eo am-baravarako sy miambina eo an-tokonako!


«Rehefa tonga any Babilôna ianao, dia imasoy ny hamaky mafy ireo teny rehetra ireo;


–Ho hitanareo tafajoro ao amin’ny Toeramasina ilay fanimbazimbana mahatsiravina, voalazan’i Daniela mpaminanin’Andriamanitra. (Aoka hahazo tsara izay mamaky!)


Fa hoy i Jesoa: –Vao mainka sambatra aza ireo mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy!


Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareo amin’ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin’ny andro vao ninoantsika.


Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao àry ny asa fanao amin’ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin’ny mazava.


Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.


Kanefa izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin’ny Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro.


Dia hoy koa ny anjely tamiko: –Aza afenina ny teny faminaniana raketin’ity boky ity, satria antomotra ny fotoanandro hahatanterahan’ireo zavatra ireo.


«Indro avy faingana Aho, hoy i Jesoa; ary miaraka amiko ny valin’asa, mba hamaliako ny olona rehetra araka izay nataony avy.


Hoy Ilay mijoro vavolombelon’ireo zavatra ireo hoe: «Eny, ho avy faingana Aho!» Amen! Avia, ry Jesoa Tompo!


Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra