«Koa mihainoa, ry Josoa mpisorombe sy ianareo mpisorona namany rehetra izay mipetraka eo akaikiny, satria fambara ny famonjena ho avy ianareo. Indro fa hasehoko ilay mpanompoko, dia ilay antsoina hoe Itsimoka.
Marka 10:32 - DIEM PROTESTANTA Teny an-dalana miakatra ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany; ka i Jesoa no lohalalana, ary gaga ny mpianatra; ny olon-kafa tafara-dia tamin-dry zareo kosa raiki-tahotra. Dia nalain’i Jesoa ho eo aminy indray ny 12 lahy, ka nilazany an’izay madiva hanjo Azy: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy no nandeha teo alohany. Dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa amby folo lahy indray Izy dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teny an-dalana miakatra ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany; ka i Jesoa no lohalalana, ary gaga ny mpianatra; ny olon-kafa tafara-dia tamin-dry zareo kosa raiki-tahotra. Dia nalain’i Jesoa ho eo aminy indray ny 12 lahy, ka nilazany an’izay madiva hanjo Azy: Baiboly Katolika Ary nony mby teny an-dalana ho any Jerosalema izy ireo, dia i Jesoa no lohalalana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy. Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy: Baiboly Protestanta Malagasy ARY Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dàlana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin’ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy Malagasy Bible Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin'ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy La Bible en Malgache Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy no nandeha teo alohany. Dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa amby folo lahy indray Izy dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy |
«Koa mihainoa, ry Josoa mpisorombe sy ianareo mpisorona namany rehetra izay mipetraka eo akaikiny, satria fambara ny famonjena ho avy ianareo. Indro fa hasehoko ilay mpanompoko, dia ilay antsoina hoe Itsimoka.
Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika.
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’ny lanitra, fa ireo kosa tsy natao hahalala.
Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe: –Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon’ity olona ity ka manaiky Azy!
Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin’ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin’ireo mpianany ny zava-drehetra.
Dia nitodika tamin’ny mpianany i Jesoa ka niteny taminy manokana hoe: –Sambatra ianareo mahita maso izao hitanareo izao!
Nony efa antomotra ny fotoana hanalana an’i Jesoa teto an-tany, dia tapa-kevitra hankany Jerosalema Izy,
Ary i Tômà (ilay atao hoe Ikambana) dia niteny tamin’ny mpianatra namany hoe: –Ndeha koa isika hiara-maty amin’ny Mpampianatra antsika!
Fa izao no navalin’ny mpianany Azy: –Mpampianatra ô, vao haingana teo ny Jiosy no nitady hitora-bato Anao, ka hankany indray ve Ianao?