Moramora kokoa ny idiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaikely noho ny idiran’ny mpanankarena ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Marka 10:26 - DIEM PROTESTANTA Vao mainka talanjona ireo mpianatra ka nifanontany hoe: –Ka iza àry no mety ho voavonjy? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia talanjona indrindra izy ireo ka nifampiresaka hoe: Iza indray ary no azo hovonjena? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vao mainka talanjona ireo mpianatra ka nifanontany hoe: –Ka iza àry no mety ho voavonjy? Baiboly Katolika Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: «Iza àry no mety ho voavonjy?» Baiboly Protestanta Malagasy Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy hoe: Iza indray no azo hovonjena? Malagasy Bible Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy hoe: Iza indray no azo hovonjena? La Bible en Malgache Dia talanjona indrindra izy ireo ka nifampiresaka hoe: Iza indray ary no azo hovonjena? |
Moramora kokoa ny idiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaikely noho ny idiran’ny mpanankarena ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe: –Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba toy izany amin’Andriamanitra. Raha amin’Andriamanitra manko, dia hainy avokoa ny zava-drehetra.
Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra,
Ary dia talanjona izaitsizy ny olona ka vaky vava hoe: –Tsara avokoa no nanaovany ny zavatra rehetra, fa sady nampalady ny marenina Izy no nampiteny ny moana.
Dia nisy olona anankiray nanontany Azy hoe: –Moa vitsy ve, ry Tompo, ny olona ho voavonjy? Ary hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka:
Dia novaliany hoe: –Minoa an’i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao mbamin’ny ankohonanao!
Mpanompon’i Kristy ve izy ireo? Hiteny toy ny very saina aho: eny, mpanompon’i Kristy koa aho, ary mihoatra noho izy ireo; fa nisasatra mafy kokoa aho, natao am-ponja matetika kokoa, nokapohina bebe kokoa, tambavahoana imbetsaka kokoa.