Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 6:51 - DIEM PROTESTANTA

51 Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

51 Ary niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely Izy dia nitsahatra ny rivotra. Talanjona izy ireo,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

51 Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

51 Ary niakatra teo aminy teo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

51 Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

51 Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

51 Ary niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely Izy dia nitsahatra ny rivotra. Talanjona izy ireo,

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 6:51
14 Rohy Ifampitohizana  

Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin’ireo nanaraka Azy nanao hoe: –Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin’i Israely.


Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe: –Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon’ity olona ity ka manaiky Azy!


Dia nitsangana ilay malemy ka nibata ny fandriany avy hatrany ary lasa nandeha teo imason’ny olona rehetra. Dia talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an’Andriamanitra sady vaky vava hoe: –Tsy mbola nahita zavatra toy izao na oviana na oviana isika!


Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra ary nanao tamin’ny farihy hoe: –Mangîna! Mitonia! Dia nitsahatra ny rivotra ary nanjary tony dia tony ny andro.


Ary natahotra dia natahotra tokoa iretsy mpianany, ka nifampilaza hoe: –Fa iza àry io no manaiky Azy hatramin’ny rivotra sy ny farihy?


Dia nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy, ka nandehandeha, fa efa feno 12 taona. Ary dia talanjona aoka izany ny olona teo;


Dia niondrana an-tsambokely ry i Jesoa ka nandeha nitokana any an-taniefitra.


Ary dia talanjona izaitsizy ny olona ka vaky vava hoe: –Tsara avokoa no nanaovany ny zavatra rehetra, fa sady nampalady ny marenina Izy no nampiteny ny moana.


Dia te handray Azy ho eo an-tsambokely ireo mpianany; nefa niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasain’izy ireo haleha ny sambokely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra