Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 6:52 - DIEM PROTESTANTA

52 satria tsy azony an-tsaina ilay nampitomboana ny mofo, noho ny hamafin’ny fony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

52 satria tsy takatry ny sainy ny fahagagana ny amin’ny mofo fa mbola mafy ny fony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

52 satria tsy azony an-tsaina ilay nampitomboana ny mofo, noho ny hamafin’ny fony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

52 fa tsy azony an-tsaina ity fahagagana tamin’ny mofo teo noho ny hadonton’ny fony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

52 Ary tsy fantany ny amin’ny mofo; fa efa mafy ny fony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

52 Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 6:52
9 Rohy Ifampitohizana  

TOMPO ô, nahoana re izahay no avelanao haniasia lavitra ny lalanao, sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao? Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao, dia izahay foko anjara fanananao.


Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan’i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona.


Dia tezitra i Jesoa nanopy maso manodidina nijery azy ireo, sady nalahelo tokoa noho ny hamafin’ny fony, ka niteny tamin-dralehilahy hoe: –Atsory ny tananao! Dia natsotran’ilay marary ny tanany ka sitrana.


ka hoy i Jesoa taminy: –Hay ve ianareo koa mba tsy mahafantatra? Tsy takatrareo ve fa izay rehetra avy etỳ ivelany ka miditra ao amin’ny olona dia tsy mahaloto azy,


Dia hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy: –Olona votsa saina ianareo ary ela vao mino izay rehetra voalazan’ny mpaminany!


«Andriamanitra efa nanajamba ny mason’ireo sy nanamafy ny fony; hany ka ny masony tsy hahita, ny fony tsy hahafantatra, ary tsy hiverina amiko ireo mba hositraniko, hoy Andriamanitra.»


Ahoana àry? Tsy nahazo izay nokatsahiny akory ny vahoaka Israely, fa ireo voafidin’Andriamanitra no nahazo izany. Nohamafisina kosa ny fon’ny hafa rehetra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra