Atobio miaraka ny vahoaka, manokàna fotoana hiangonana. Vorio ny antitra sy ny tanora hatramin’ny zaza minono; aoka handao ny efitranony ny mpivady vao.
Marka 10:13 - DIEM PROTESTANTA Nisy olona maro nitondra ankizy madinika nankeo amin’i Jesoa hametrahany tanana; nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo olona ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisy nitondra zaza ho eo Aminy mba hametrahany tanana. Nefa ny mpianany niteny mafy azy ireny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy olona maro nitondra ankizy madinika nankeo amin’i Jesoa hametrahany tanana; nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo olona ireo. Baiboly Katolika Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; Baiboly Protestanta Malagasy ARY nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tànana; fa ny mpianany niteny mafy ireny. Malagasy Bible Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny. La Bible en Malgache Ary nisy nitondra zaza ho eo Aminy mba hametrahany tanana. Nefa ny mpianany niteny mafy azy ireny. |
Atobio miaraka ny vahoaka, manokàna fotoana hiangonana. Vorio ny antitra sy ny tanora hatramin’ny zaza minono; aoka handao ny efitranony ny mpivady vao.
Norahonan’ny olona maro izy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe: –Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!
Fa hoy i Jôhany tamin’i Jesoa: –Mpampianatra ô, nahita olona nandroaka demony tamin’ny anaranao izahay, ka noraranay satria tsy namantsika.