Marka 1:41 - DIEM PROTESTANTA Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary onena azy Jesosy ka nanatsotra ny tanany dia nikasika azy sady niteny taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao. Baiboly Katolika Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: «Mety Aho, madiova ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova hianao. Malagasy Bible Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. La Bible en Malgache Ary onena azy Jesosy ka nanatsotra ny tanany dia nikasika azy sady niteny taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. |
Onena Izy nahita ny vahoaka, satria niferinaina ireo sady nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Ary nanatona an’i Jesoa ity lehilahy marary hoditra ka nitalaho taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: –Raha sitrakao, dia hainao diovina aho.
Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra ary nanao tamin’ny farihy hoe: –Mangîna! Mitonia! Dia nitsahatra ny rivotra ary nanjary tony dia tony ny andro.
Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza ka hoy Izy taminy: –Talità komỳ! (Izany hoe: «Razazavavy, mandidy anao Aho, mifohaza!»)
Rehefa niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka maro; ka onena azy ireo ny fony satria tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ireo, ary dia zavatra maro no nampianariny azy ireo.
Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.
Koa amin’ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tahaka ireo zandriny Izy, ka ho tonga Mpisorombe mamindra fo sy mahatoky eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, mba hanonitra ny heloky ny vahoaka.
Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota.