Marka 1:35 - DIEM PROTESTANTA Ny ampitso maraina mbola maizina, dia nifoha i Jesoa ka niala tao an-tanàna ary lasa nivavaka tany amin’ny toerana mangina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nifoha maraina be Izy dia nandeha nankany an-tany efitra, ary tany Izy no nivavaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny ampitso maraina mbola maizina, dia nifoha i Jesoa ka niala tao an-tanàna ary lasa nivavaka tany amin’ny toerana mangina. Baiboly Katolika Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. Malagasy Bible Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. La Bible en Malgache Ary nifoha maraina be Izy dia nandeha nankany an-tany efitra, ary tany Izy no nivavaka. |
Ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô, mandrenesa ny feoko fa miantso Anao aho; Eny, Ianao no ivavahako vao maraina,
Nony nahare izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambokely mba hitokana any an-taniefitra. Vao nandre ny foto-dian’i Jesoa ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nizotra ny moron-drano nanaraka Azy.
Rehefa avy nandefa ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka. Nony maizina ny andro, dia i Jesoa irery sisa teo.
Ary tamin’izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka, ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Izao kosa no navalin’i Jesoa azy ireo: –Ny sakafoko dia ny manao ny sitrapon’Ilay naniraka Ahy sy ny manatanteraka ny asa nampanaoviny Ahy.
Fantatr’i Jesoa fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hatao mpanjaka; noho izany, dia lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian’Andriamanitra amin’izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan’ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin’io tanjona io, ary dia mivavaha ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.
I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan’ny fahafatesana; ary dia nohenoin’Andriamanitra izy, ka afaka tamin’ny tahotra ny ho faty.