Notenenin’i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: –Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io.
Marka 1:26 - DIEM PROTESTANTA Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nampifanintontsintona ny tenan’ilay marary ny fanahy maloto, dia niantso tamin’ny feo mahery vao niala taminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy. Baiboly Katolika Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan’ilay marary, dia niantso tamin’ny feo mahery ka niala taminy. Malagasy Bible Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. La Bible en Malgache Ary nampifanintontsintona ny tenan’ilay marary ny fanahy maloto, dia niantso tamin’ny feo mahery vao niala taminy. |
Notenenin’i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: –Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io.
Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe: –Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon’ity olona ity ka manaiky Azy!
Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany ary niolanolana sy nandoa vory.
Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon’ny maro hoe maty.
Fa raha matanjaka noho izy kosa no tonga ka mandresy azy, dia io no haka ny fiadiana rehetra nitokiany ary handroba sy hizara ny fananany.
Raha vao hetsehin’ny fanahy ratsy izy, dia ataony midradradradra tampoka sady mifanintontsintona sy mandoa vory: ary efa torovana erỳ ny zanako vao ialan’ny fanahy ratsy.
Iny nanatona iny ilay zaza, dia nazeran’ny demony ary nataony mifanintontsintona izaitsizy; fa notenenin’i Jesoa mafy ny fanahy maloto ka sitrana ilay zaza, ary natolony an-drainy.