Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany ary niolanolana sy nandoa vory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Dia noentiny teo Aminy izy. Fa nony nahita an’i Jesosy izy dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ilay fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany ary niolanolana sy nandoa vory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe: «Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?» ka novaliany hoe: «Hatry ny fony izy mbola kely;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an’i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ny fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Dia noentiny teo Aminy izy. Fa nony nahita an’i Jesosy izy dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ilay fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:20
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy.


Ary na aiza na aiza ahazoany azy, dia alavony amin’ny tany ilay zaza ary ataony mandoa vory sy mikitro-nify dia mihinjitra eo. Niangaviako ny mpianatrao handroaka ilay fanahy, kanefa tsy vitany.


Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Karazan’olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!


Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe: –Hatramin’ny oviana izao? Dia hoy ny rainy: –Hatramin’ny fahakeliny.


Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon’ny maro hoe maty.


Notenenin’i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: –Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io! Dia nandavo an-dralehilahy tamin’ny tany teo afovoan’ny vahoaka ny demony vao niala taminy, nefa tsy nandratra azy.


I Jesoa manko efa nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dralehilahy. Efa imbetsaka io fanahy maloto io no namely azy; fatorana gadra tongotra aman-tanana izy no ambenana, kanefa manapaka fatorana ihany ary entin’ny demony miriorio any an-taniefitra.


Raha vao hetsehin’ny fanahy ratsy izy, dia ataony midradradradra tampoka sady mifanintontsintona sy mandoa vory: ary efa torovana erỳ ny zanako vao ialan’ny fanahy ratsy.


Iny nanatona iny ilay zaza, dia nazeran’ny demony ary nataony mifanintontsintona izaitsizy; fa notenenin’i Jesoa mafy ny fanahy maloto ka sitrana ilay zaza, ary natolony an-drainy.


Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin’ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin’ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain’ny mpandainga.


Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra