Fa amin’ny ratsy fanahy kosa dia izao no lazain’Andriamanitra: –Ahoana no itanisanisanareo ny didiko sy itenitenenanareo ny fanekempihavanako,
Marka 1:25 - DIEM PROTESTANTA Notenenin’i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: –Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy niteny mafy azy hoe: Mangìna ianao ka mialà aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Notenenin’i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: –Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io. Baiboly Katolika Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe: «Mangina, ary mivoaha amin’io lehilahy io.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna hianao ka mivoaha aminy. Malagasy Bible Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. La Bible en Malgache Ary Jesosy niteny mafy azy hoe: Mangìna ianao ka mialà aminy. |
Fa amin’ny ratsy fanahy kosa dia izao no lazain’Andriamanitra: –Ahoana no itanisanisanareo ny didiko sy itenitenenanareo ny fanekempihavanako,
Dia nahiratra ny mason’izy roa lahy, fa i Jesoa namepetra azy mafy hoe: –Tandremo sao fantatr’olona izao!
ka niantsoantso mafy hoe: –Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra e!
Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy.
Olona maro ianjadian’ny aretina isan-karazany no sitran’i Jesoa, ary demony maro no voaroakany; tsy navelany hiteniteny kosa ireo demony ireo, satria nahalala Azy.
Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe: –Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!
Notenenin’i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: –Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io! Dia nandavo an-dralehilahy tamin’ny tany teo afovoan’ny vahoaka ny demony vao niala taminy, nefa tsy nandratra azy.
Olona maro koa no nialan’ny demony izay nihiakiaka nanao hoe: «Ianao no ilay Zanak’Andriamanitra!» Norahonan’i Jesoa mafy kosa ny demony sady tsy navelany hiteniteny satria ireo dia nahalala fa Izy no ilay Mesia.
Nanjohy anay sy i Paoly izy sady niantsoantso hoe: –Mpanompon’ilay Andriamanitra Avo indrindra ireo lehilahy ireo! Ny lalam-pamonjena no torîny aminareo!