Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron’ny farihin’i Galilea, anatin’ny faritanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ.
Marka 1:21 - DIEM PROTESTANTA Dia nankany an-tanàna atao hoe Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin’ny sinagôga i Jesoa ka nampianatra tao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nankany Kapernaomy izy ireo; ary nony tamin’ny Sabata dia niditra avy hatrany tao amin’ny sinagoga Jesosy ka nampianatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nankany an-tanàna atao hoe Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin’ny sinagôga i Jesoa ka nampianatra tao. Baiboly Katolika Ary nankany Kafarnaoma izy ireo, ka ny sabata voalohany ihany dia niditra tao amin’ny sinagoga Izy sy nampianatra ny olona. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nankany Kapernaomy izy ireo; ary nony tamin’ny Sabata, dia niditra tao amin’ny synagoga niaraka tamin’izay Jesosy ka nampianatra. Malagasy Bible Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra. La Bible en Malgache Nankany Kapernaomy izy ireo; ary nony tamin’ny Sabata dia niditra avy hatrany tao amin’ny sinagoga* Jesosy ka nampianatra. |
Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron’ny farihin’i Galilea, anatin’ny faritanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ.
Ary nitety an’i Galilea manontolo i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôgan-dry zareo ary nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra sady nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra teo amin’ny vahoaka.
Ary nantsoin’i Jesoa avy hatrany izy mirahalahy; dia nilaozany teo an-tsambokely i Zebedeo rainy mbamin’ireo mpikarama, fa lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.
Vantany vao nivoaka ny sinagôga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry i Simôna sy i Andrea; niaraka taminy koa i Jakôba sy i Jôhany.
Dia lasa i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nitoriteny tany amin’ny sinagôgan-dry zareo Jiosy sady nandroaka ny demony.
Nony niala teo i Jesoa, dia nankany amin’ny faritra antsisin’i Jodea, eny andafin’ny ony Jôrdàna. Ary tonga maro teo aminy indray ny olona, ka nampianariny toy ny fanaony.
Tafaverina tao Kafarnahòma indray i Jesoa rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ren’ny olona fa hoe tao an-trano Izy.
Ary nony sabata ny andro, dia nampianatra tao amin’ny sinagôga i Jesoa; dia talanjona ireo olona maro nihaino Azy ka vaky vava hoe: –Avy taiza re no nahazoan’ilay io izany zavatra izany? Ary ahoana izato fahendrena nomena azy sy ireto asa mahagaga vitany?
Ary ianao, ry Kafarnahòma, heverinao ve fa hasandratra hatrany an-danitra ianao? Tsia, haetry hatrany amin’ny toeran’ny maty ianao!
Nandeha tany Nazareta tanàna nahabe Azy i Jesoa ary tamin’ny andro sabata dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony. Nitsangana Izy hamaky ny Soratra Masina
Fa i Jesoa kosa nanao taminy hoe: –Ampiharinareo amiko tokoa ilay ohabolana hoe: «Dokotera, sitrano aloha ny tenanao», satria hoy ianareo tamiko: «Izay rehetra renay fa nataonao tany Kafarnahòma, mba ataovy eto an-tanindrazanao koa!»
Nankao amin’ilay sinagôga i Paoly araka ny fanaony. Sabata telo nifanarakaraka no nifanakalozany hevitra momba ny Soratra Masina tamin’ny olona tao;
Isaky ny andro sabata, dia nifanakalo hevitra tao amin’ny sinagôga i Paoly ary niezahany horesen-dahatra na ny Jiosy na ny Grika.