Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 1:11 - DIEM PROTESTANTA

Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy feo avy tany an-danitra niteny hoe: Ianao no Zanako malalako; Ianao no sitrako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: «Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy feo avy tany an-danitra niteny hoe: Ianao no Zanako malalako; Ianao no sitrako.

Jereo ny toko



Marka 1:11
19 Rohy Ifampitohizana  

–Aoka hambarako, hoy ilay mpanjaka, ny didy navoakan’ny TOMPO; fa hoy Izy tamiko: «Ianao no zanako; Rainao niteraka anao Aho manomboka anio.


Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.


«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, ilay Malalako Izay sitrako. Ny Fanahiko hapetrako eo aminy, ka hambaran’ny Mpanompoko amin’ireo firenena ny rariny.


Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!


Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!


Vantany vao niakatra avy ao anaty rano i Jesoa, dia nahita ny lanitra nitriatra sy ny Fanahy Masina nidina teo aminy tahaka ny voromahailala.


Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy rehetra, ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; henoy Izy!


Dia nidina teo ambonin’i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!


Ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay voafidiko; henoy Izy.


Ary nahita aho, ka dia vavolombelona manambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra.


Eny, notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa ho velona aina mandrakizay.


ny Ray Izay naniraka Ahy mihitsy no vavolombelona nanambara Ahy. Tsy mba nandre ny feony na nahita ny endriny na oviana na oviana ianareo,


sady izahay efa mino sy mahalala fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra!


araka ny Fanahy Masina kosa, dia naharihary tamin-kery fa Zanak’Andriamanitra fony Izy tafatsangana velona avy tany amin’ny maty.


fa nanala antsika tamin’ny fahefàn’ny haizina Izy, ka namindra antsika ho ao amin’ny Fanjakan’ny Zanany malalany,