Levitikosy 11:3 - DIEM PROTESTANTA ny biby rehetra mivaky kitro sady mandinika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay biby rehetra mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika no ho fihinanareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny biby rehetra mivaky kitro sady mandinika. Baiboly Katolika Ny biby rehetra mivaky kitro sy misampan-tongotra ary mandinika no hohaninareo; Baiboly Protestanta Malagasy Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo. Malagasy Bible Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo. La Bible en Malgache Izay biby rehetra mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika no ho fihinanareo. |
Ialao ny hakelezan-tsaina, dia ho velona ianareo! ka mizora amin’ny lalan’ny fahaiza-manavaka.»
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Izao no ho fihinanareo amin’ny biby rehetra eto ambonin’ny tany:
Ireto avy àry no ho biby maloto aminareo: –ny biby rehetra tsy mba mivaky kitro ary ny biby rehetra tsy mba mandinika: na zovy na zovy mikasika azy, dia haloto. –ny biby rehetra mandia tongotra efatra sady mandeha amin’ny faladiany: na zovy na zovy mikasika ny fatin’ireo, dia haloto mandra-paharivan’ny andro; ary na zovy na zovy mitondra ny fatin’ireo, dia haloto koa mandra-paharivan’ny andro sady tsy maintsy hanasa fitafiana.
Kanefa ny biby mandinika fotsiny na mivaky kitro fotsiny tsy hohaninareo, fa maloto aminareo ireny, ohatra: ny rameva satria mandinika ihany izy nefa tsy mba mivaky kitro;
Tsara toe-po amam-panahy kokoa ireto Jiosy ireto noho ny tany Tesalônika sady nazoto tokoa nandray ny tenin’Andriamanitra. Nodinihin-dry zareo isan’andro ny Soratra Masina hanamarinany izay lazain’i Paoly.
Izany no ilazan’ny Tompo hoe: «Mialà teo aminy ka misaraha aminy; aza mikasika zavatra tsy madio, dia horaisiko ianareo.
ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro ihany izy saingy tsy mba mandinika. Koa aza haninareo ny henan’ireo biby ireo ary aza kasihinareo akory ny fatiny.
Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.