Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 11:7 - DIEM PROTESTANTA

7 ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy nefa tsy mba nandinika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy sady misaraka tsara ny kitrony nefa tsy mba mandinika: Maloto aminareo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy nefa tsy mba nandinika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ohatra ny kisoa, izay mivaky kitro sy misampan-tongotra nefa tsy mandinika, dia ho maloto aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy sady misaraka tsara ny kitrony nefa tsy mba mandinika: Maloto aminareo izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 11:7
11 Rohy Ifampitohizana  

Mipetraka any am-pasana izy ireny na misitrika any an-dava-bato amin’ny alina, sady mihinana hena kisoa ary manisy ron-kena maloto ao an-doviany.


dia ireo mihambo hidio manokana mba ho afa-miditra ao an-tanimboly sy hipetraka aorian’ilay eo afovoany, na koa ireo mihinana henakisoa sy voalavo mbamin’ny zava-maharikoriko. Ho indray levona avokoa ny fanao amam-pisainan’ireny. Izany no teny hentitry ny TOMPO.


Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak’ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,


ny biby rehetra mivaky kitro sady mandinika.


ny bitro, satria mandinika ihany izy nefa tsy mba mivaky kitro;


Koa aza haninareo ny henany ary aza kasihinareo akory ny fatiny: maloto aminareo ireny.


Ny zava-masina, aza omena ny alika, fandrao hifoteran’ny alika ianareo ka hoviravirainy; ary ny vatosoanareo, aza atsipy amin’ny kisoa, fandrao voahosihosiny.


Lasa izy niasa tamin’ny tompon-tany anankiray ka nalefan’ilay niasany hiandry kisoa tany an-tsahany.


Rehefa niala tamin-dralehilahy ny demony, dia niditra tamin’ny kisoa; ary nirifatra ny andian-kisoa ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy, dia maty tao.


ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro ihany izy saingy tsy mba mandinika. Koa aza haninareo ny henan’ireo biby ireo ary aza kasihinareo akory ny fatiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra