Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 4:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Mazotoa mihevitra ireo zavatra ireo dia mikeleza aina fatratra amin’izany mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 4:15
26 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny fampianaran’ny TOMPO no sitrany, ka dia saintsaininy andro aman’alina.


TOMPO ô, ho sitrakao anie ny tononkaloko fa noho ny aminao no ifaliako!


Tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany,


Mialoha ny besinimaro aho no nifoha mba hisaintsaina ny hafatrao.


Ny fepetranao hosaintsainiko, ny sori-dàlanao hodinihiko;


Na andriana aza no mioko hamely ahy, izaho mpanomponao misaintsaina ny lalànanao.


Hanandra-tanana hivavaka aminao aho, ka ny lalànanao no hosaintsainiko.


Endrey ny fitiavako ny lalànanao; tontolo andro dia izy no saintsainiko.


Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria misaintsaina ny baikonao.


Tsaroako izany andro fahiny; sainiko avokoa ny nataonao, eritreretiko ny asa vitanao.


Arovy tsy ho voan’ny ota iniana aho, ka aza avela hanan-kery amiko ireny; dia tsy hanan-tsiny tokoa aho sady ho afaka amin’ny heloka bevava.


na olona ambony na sarambabem-bahoaka, na ny mpanankarena na ny mahantra;


dia ho heni-tsoa toy ny voky sakafo tsara aho ka ho faly handredona hira fiderana Anao.


TOMPO ô, tsaroako izay efa nataonao ary tadidiko ny zava-mahagaga vitanao fahiny.


Kanefa afaka hanampy ny mpiray foko aminy izy hiambina ny Tranolay fihaonana, na dia tsy hanana asa manokana aza. Izany no hataonao amin’ny Levita momba ny fanompoany.


Aoka hamiratra eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo Izay any an-danitra.


Izahay kosa dia hilofo amin’ny vavaka sy ny fitorian-teny.


Fantatrareo ry i Stefanasy mianakavy: ireo no kristianina voalohany tany Akaîa sady nanokan-tena hanampy ny vahoakan’Andriamanitra. Mangataka anareo aho, ry havako,


Fantatray fa Andriamanitra, Izay nanangana an’i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay koa ho velona miaraka amin’i Jesoa, ary hametraka anay mbaminareo ho eo akaikiny.


Nanao mihoatra noho izay nantenainay izy ireo, fa nanolo-tena ho an’ny Tompo aloha, ary ho anay koa noho ny sitrapon’Andriamanitra.


Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr’Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona.


Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’ireo adidy ireo; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.


Raha izany torohevitra izany no arosonao ny havana iray finoana, dia ho mpanompo tsaran’i Kristy Jesoa ianao, ka hiharihary fa mivelona amin’ireo teny momba ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao ianao.


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


Aoka ianao hahavatra mamaky ity bokin’ny lalàna ity ary handinika azy andro aman’alina mba himasoanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra anatiny. Amin’izay dia ho tontosanao tsara ny fikasanao rehetra ary hahomby ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra