Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Timoty 4:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr’Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Aza atao tsirambina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tanan’ny loholona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr’Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Aza atao an-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ny loholona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 4:14
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia nataony izany ka nampitondrainy an’i Barnabà mbamin’i Saoly ho any amin’ny loholom-piangonana tany Jodea.


Tamin’izay, rehefa nifady hanina sy nivavaka ny iray Fiangonana, dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy ary nandefa azy.


Nametrahan’i Paoly tanana izy rehetra ka nahazo ny Fanahy Masina, ary dia niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sady nilaza hafatra avy amin’Andriamanitra.


Ny mpisorombe sy ny loholona rehetra no vavolombelona fa marina ny filàzako. Taminy manko no nahazoako taratasy ho an’ny Jiosy tany Damasy fony aho nandeha hisambotra ny mpino tao hoentina hofaizina atỳ Jerosalema.


Naroso teo anatrehan’ny apôstôly izy fito lahy ka nanaovan’ny apôstôly vavaka sy nametrahany tanana.


Dia nametrahan’i Petera sy Jôhany tanana izy rehetra ka nandray ny Fanahy Masina.


Aza vonoina ny asan’ny Fanahy Masina;


Ry Timôty zanako, izany fepetra izany no atolotro anao, araka ireo hafatr’Andriamanitra voalaza fahiny tamin’ny fanendrena anao. Raiso ireo ho fitaovam-piadiana amin’ny ady tsara,


Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.


Aoka ny loholona tsara fitondra ny Fiangonana handray valin-kasasarana avo roa heny, indrindra fa ireo mikely aina amin’ny fitorian-teny sy ny fampianarana.


Aza mandray teny fiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.


Aza maika loatra mametra-tanana amin’olona mba hanokana azy amin’ny asan’ny Tompo. Aza miombona ota amin’ny sasany; tahirizo madio ny tenanao.


Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiaina-maharitra mandrakizay, fa ho any amin’izany fiainana izany no niantsoan’Andriamanitra anao fony ianao nanambara ilay fiekem-pinoana fatratra teo anatrehan’ny vavolombelona maro.


Izany no ampahatsiarovako ny hamelombelomanao indray ilay fanomezam-pahasoavana narotsak’Andriamanitra tao anatinao, fony aho nametra-tanana taminao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra