Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 9:18 - DIEM PROTESTANTA

Kanefa tsy namono azy ny Israelita satria ny anaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no efa nianianan’ireo loholom-piangonana taminy. Koa nimonomonona tamin’ireo loholona ny Israelita rehetra;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa tsy namely azy ny Zanak’Israely satria NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nianianan’ny lohan’ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ireo loholona ny fiangonana rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa tsy namono azy ny Israelita satria ny anaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no efa nianianan’ireo loholom-piangonana taminy. Koa nimonomonona tamin’ireo loholona ny Israelita rehetra;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Noho ny fianianana nataon’ny lohan’ny fiangonana taminy tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely dia tsy namely azy ireo izy, nefa nimonomonona tamin’ny filohany, ny fiangonana rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tsy namely azy ny Zanak’Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan’ny lohan’ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ireo loholona ny fiangonana rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tsy namely azy ny Zanak'Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan'ny lohan'ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin'ireo loholona ny fiangonana rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa tsy namely azy ny Zanak’Israely satria NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no efa nianianan’ny lohan’ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ireo loholona ny fiangonana rehetra.

Jereo ny toko



Josoa 9:18
11 Rohy Ifampitohizana  

Notsimbinin’ny mpanjaka manokana i Mefibôseta, zanakalahin’i Jônatàna sady zafikelin’i Saoly, noho ny fianianana nataon’i Davida sy i Jônatàna tamin’ny anaran’ny TOMPO.


tsy miraharaha izay lavin’Andriamanitra, fa manaja an’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO, tsy mivadika amin’ny fianianana vita na dia maningotra ny tenany aza izany;


Fa izay be ahiahy, mpanonofy ratsy; ary izay be teny mpanao rediredin’adala.


Arakaraka ny mahabe ny teny no mahabe ny nofy sy ny zava-poana. Koa Andriamanitra no hajao.


Ary tahaka izany avokoa ny olona rehetra. Mitovy avokoa ny manjo ny olo-marina sy ny olo-meloka, ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy; mitovy avokoa ny manjo ny olona madio ara-pivavahana sy izay tsy madio, ny olona manao sorona sy izay tsy manao sorona; mitovy avokoa ny manjo ny tsara fanahy sy ny mpanota ary koa ny olona manao fianianana amin’Andriamanitra sy izay tsy sahy manao izany.


«Raha misy lehilahy mivoady amin’ny TOMPO na mianiana hifady zavatra, dia tsy hitsoaka amin’ny teniny fa tsy maintsy hanatanteraka izay fampanantenana naloaky ny vavany izy.


Raha mivoady hanao sorona na fanatitra amin’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, dia aza ela fanefa; raha tsy izany kosa dia hanadinany anareo tokoa ilay voady ka ho fahotana aminareo.


Fa raha tsy mivoady ianareo, dia tsy fahotana aminareo izany.


Izay aloaky ny vavanareo dia imasoy hotanterahina, araka ny voady an-tsitrapo notononin’ny vavanareo tamin’ny TOMPO Andriamanitrareo.


Dia niainga ny Israelita; ka nony afaka telo andro, dia tonga tany an-tanànan-dry zareo, izany hoe tao Gibehona sy Kefirà ary Beerôta sy Kiriata-Jeharima.


saingy novalian’ireo hoe: –Ny anaran’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no efa nianiananay taminy; koa tsy azontsika atao ny mamely azy ankehitriny.